Nijery akaiky ny sakana natao tamin’ny Filoha teo aloha ny mpiandraiki-draharaha avy any ivelany
Mihanjaka eo imason’izao tontolo izao ny firenena noho ny ataon’ny mpitondra, hoy ny tenin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tsy fanomezana toerana ny kemokrasia ihany no koa no handraisan’ny maro ny sakantsakana atao amin’ny filoham-pirenena teo aloha ity. Hitan’ireo “diplomates” avy any amin’ny firenen-kafa indrindra ireo mandala fatratra ny demokrasia izany sakana atao aminy izany. Sakana tsy avela mivezivezy, Tadiavina ho esorina eo amin’ny fitariahana ny antoko mpanohitra, endrika tsy fahazakana ny demokrasia izany, hoy ny tanora TIM iray. Rehefa nahita ny fiaran’ireo “Diplomates” ireo taorian’ny fiaran’i Ravalomanana Marc ireo zandary dia nanajanona avy hatrany ireo sakana. Fihetsika atao tahaka ny olom-pirenena rehetra ve izany ? Tsy sakana ara-pahasalamana araka izany io fa sakana io fa sakana ara-politika. Fa nahoana ? Mampandroso ny firenena tokoa anie ny fisian’ny mpanohitra ary na firenena iza na firenena iza dia tsy maintsy misy izany foana. Tsy mitovy hevitra ny mpitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo ka tsy manana tanjona ny hanao izay hampahantra azy indray. Mitovy araka izany ny tanjon’ny mpanohitra sy ny mpitondra dia ny hampandroso ity firenena ity, koa nahoana no miady sy mifanenjika tahaka ny zava-misy ankehitriny ?
Nicole Rafalimananjara
