Misy amin’ireo efa voafonja no miverina mamerin-keloka
“Ny tanana efa zatra mitsotra tsy mety mivokona intsony” hoy ny oham-pitenenan’ny Malagasy. Mbola vitsy amin’ireo olona voafonja eto Madagasikara, voaheloka nohon’ny asa ratsy, no mijanona amin’ny fanaony rehefa tafavoaka ny fonja izy. Maro amin’izy ireo mantsy no miezaka mamerin-keloka rehefa tonga ny fotoana ivoahan’izy ireo izany fonja izany. Eo ihany koa ireo tsy mahavita ny saziny ara-dalàna, fa miverina amin’ny asany teo aloha ihany anefa. Fa tsy vitsy ihany koa ireo voafonja mahazo fahafahana vonjimaika ka manohy ny asany indray. Tsara marihana mantsy fa raha ny lalàna no jerena, mahazo alalàna hangataka fahafahana vonjy maika, mandritra ny raharaha ka hatramin’ny fandraisana fanapahan-kevitra farany momba ny hoaviny, ny olona rehetra nampidirana am-ponja alohan’ny fitsarana. Miankina tanteraka amin’ny fitsarana ny fanomezana izany na tsia. Na eo aza ny lalàna manafay ny mpanao asa ratsy, tsy mety fay ny sasany amin’izy ireo fa miezaka manatanteraka izany, aeloka ary mamerina ny heloka efa nanenjehana azy. Tsy mahagaga raha betsaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana sy mahery vaika, toa mihamafy nohon’ny asany teo aloha aza no vitan’izy ireny. Tsy mampaninona azy ireny intsony ve ny lalàna manafay misy eto amin’ny tanin’ny Madagasikara? Sa misy olona ao ambadiky ny fahafahana homena azy? Miankina amin’ny sokajin’ny asa ratsy ataony mantsy ny sazy azon’izy ireo. Etsy ankilany, lasa tsy matoky firy ny fitsarana ka lasa miroana any amin’ny fitsaram-bahoaka, izay mbola adihevitra hafa ihany koa. Manan-danja sy azo sokajiana ho vahaolana ihany koa manoloana ny asa famerenan-keloka ny fampianarana ny olona rehetra ny momban’ny lalàna. Vahaolana ihany koa anefa ny fanafaizana mafimafy kokoa ireo mpamerin-keloka.
Fanilo Rarivoarilala
