SocialTsidika

Faribolana sandratra: Miezaka manatsara ny fikambanany

Fikambanana poeta Malagasy ny faribolana sandratra, niforona tamin’ny taona 1982 ity fikambanan’ny poeta ity ary mpanoratra vitsivitsy no nanorina azy tany am-piandohana. Anisan’izany i Nalisoa Ravalitera, Lydiary, Solofo José, Ilay, Niry Solosoa, Elie Rajaonarison, Gérard Rakotonirina, sy Ranoë, A.R.N.I. Tsy mitsaha-miroborobo ity fikambanana ity tato anatin’ny fotoana maro, ny taona 2019 no nanamarika ny faha 30 taona nijoroany izy ireo. Tsy mbola nisy mihitsy ny faharavan’ny fikambanana nandritran’izay telopolo taona mahery izay. Marobe ireo andrarein’ny asa soratra vy nahitana sy angady nananan’ny fikambanana, mbola mitarika mandraka ankehitriny ireo zandry maro aty aoriana. Miezaka mandrindra ny fikambanana amin’izao fotoana izao. Misehatra eo amin’ny asa soratra sy ny literatiora Malagasy no tena iangalian’izy ireo. Tsy vitsy ireo tanora liana amin’io tontolo io amin’izao fotoana izao; miezaka manantona ny fikambanana tahaka izao izy ireo mba hahafahany manamafy ny traikefa hananany nandritra izay fotoana izay. Izy ireo rahateo tsy manda ny fiaraha-miasa main’ny fiangonana sy ny sekoly ary fikambanana mitaiza tanora liana amin’izany. Toerana maro no efa misy ny foiben’ny faribolana sandratra manerana ny Madagasikara. Samy manana ny mpikambana tsirairay avy ny faritra sy toerana ahitana ny fikambanana. Ireo mpikambana ireo indray araka izany no miezaka mampandroso izany amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny literatiora sy ny tontolon’ny asa soratra. Mbola manamafy ny fisokafan’izy ireo amin’ny sehatra rehetra moa izy ireo.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire