ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ho ao Varsovie ny filoha, hiresaka ny ady ao Ukraine

Mbola mitohy ny fidarohan’i Russie baomba ireo tanan-dehiben’i Ukraine. Nolavin’i Ukraine ny alatsinainy teo nefa ny fepetra na « ultimatum » napetrak’i Russie izay nitaky ny filavoana lefona na « capitulation » ny tanan’i Marioupol izay anisany efa voabodo. Efa mitovy amin’ny tanana foana io tanana io amin’izao hoy ny « consul général de Grèce » ao ao an-toerana. Nampitahan’izy ireo tamin’ny tananan’i Guernica izany.Manoloana izany dia ho ao Europe ny filohan’i Amérique amin’ity herinandro ity. Entina hanamafisany ny fanohanany an’i Ukraine izany. Hiazo an’i Varsovie kosa izy ny zoma ary hanoy ao Belgique hiaona amin’ireo mpitantana ny OTAN sy ny G7 ary ny Union Européenne.

Laisser un commentaire