Burkina Faso : Miaramila am-polony maty tao anaty fanafihana
Miverina indray ny herisetra ao Burkina Faso amin’izao manakaiky ny faharoa volan’ny fanonganam-panjakana izao. Miaramila tsy latsaky ny 12 no maty nandritrana fanafihana nataon’ny vondrona djihadiste ny 20 martsa teo tao Natiaboani. Mbola isa vonjy maika ihany nefa izany raha ny fampitam-baovao.Miaramila nanao fisafoana sy fiarovana ireo lavo ireo. Niezaka nanokatra lalana nobahanan’ny vondron’olona nitam-piadiana izy ireo nandritra io fanafihana io. Marihina fa efa herinandro maromaro io lalana io no tapaka. Fanafihana fahaenina tao an-toerana tao anatin’ny 10 andro io fanafihana io, sivily 23 no maty vokatr’izany ary miaramila 25.
