ActualitésTsidika

Sidina : Ahena ny fotoana hijanonana ao anaty fiaramanidina

Tontosa ny 21 Martsa lasa teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famatarana ny toetr’andro vaovao sy teo aloha. Sehatra mila vahaolana tokoa ankehitriny ny resaka fitaterana eto amintsika.

« Efa hitako avokoa ny olana. Efa hitako ihany koa ny vahaolana amin’izany » hoy Ranjatoelina Rolland, minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro nandritra ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny Minisitra teo aloha Tinoka Roberto. « Mampikaikaika ny mpandeha tonga eto Madagasikara ity fotoana hijanonana ao anatin’ny seranam-piaramanidina ity. Raha maharitra ora 3 izany ankehitriny dia hihena ho 2 ora sisa ao anatin’ny fotoana fohy » hoy hatrany izy.

Isan’ny mampitaraina ny maro ihany koa ny fitaterana an-tanety toy ny fitohanana lavareny, ny tokony hanampiana kaoperativa. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire