Sabotsy Namehana: Nitroatra ireo mpandeha noho ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpamily
Tranga miavaka no niseho tao anatin’ny zotra H izay miasa ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana,
ny faran’ny herinandro teo. Nitroatra ireo mpandeha ka tsy nanaiky ny tsy rariny manoloana ny
fomba fiasan’ireo mpamily sy mpanampin’ny mpamily.
« Rehefa tonga teo amin’ny fiantsonana teo Ambohitrarahaba ny zotra H iray, manodidina ny
tamin’ny 7ora hariva, dia nilaza fa tei no farany ka tsy handeha intsony. Raikitra ny fifamaliana teo
amin’ny mpandeha sy ny mpamily nandritra izany, noho ny tsy rariny ataon’ireto matetika » hoy ny
mpandeha iray.
« Nitokona tsy nety ny handeha hatrany ity fiara, nivoaka ny mpamily, tsy nsiy nihetsika ihany koa ny
mpandeha tao anatiny. Taorian’izay no nitady hevitra ka nentin’ny mpandeha tao anatiny ny
fiara »hoy hatrany ny fanazavana.
Ilaina ny firaisan-kina, ilaina ihany koa ny manohitra ny tsy rariny manoloana ny tsy fanarahan-dalana
ataon’ny hafa. Mila entitra ihany koa ny tomponadraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanaraha-maso ny
lalan’ny zotra mba hitsinjovana ny mpandeha.
