ActualitésTsidika

Fanatanjahantena: Hikaroka talenta eto an-toerana I Ngoyi Granddi, “recruteur” avy ao amin’ny Paris FC

Araka ny fanambarana izay nataon’I Lalaina Nomenjanahary na i Bolida avy ao amin’ny Barea dia tonga eto Madagasikara ity “recruteur” avy ao amin’ny Paris FC ity. Lehibe ny antondiany eto satria hikaroka talenta vaovao eto Madagasikara indray izy ho fampiroboroboana ny Baolina Kitra Malagasy izany. Fiaraha-miasa tamin’ny Filohan’ny Klioba Elegeco moa no nahafahana nanatanteraka izany asa izany rah any nambaran’ny Bolida hatrany.

“Na dia teo azan y fandaharam-potoany tery dia nanaiky ny fanasako izy. I Nina no tena ho arahiny maso anio amin’izao fahatongavany izao f amino aho fa hahita talenta hafa maro ihany koa ny tenany mandritra izao fandalovany aty izao”, hoy i Lalaina Nomenjanahary, mpilalao ao amin’ny Barea A.

“Toe-tsaina miabo toy izany no ilaina eto amin’ity firenentsika ity. Mifampisintona miakatra fa tsy mifandteika. Matetika moa dia aty anatin’ny fanatanjahantena no tena ahitana izany kanefa ilaina ny olona toy izao eny anivon’ny fiara-monina sy amin’ny lafiny politika. Mila mihetsika ireo zandry kely ireo fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady toy izao”, hoy i Raitra, mpankafy baolina kitra no mpandinika fiaraha-monina.

Hampiroborobo ny fanatanjahantena Malagasy no tena tanjona lehibe tamin’ity tetik’asa ity ka enga anie hitondra soa amin’ireo Tanora vao misandratra eto an-toerana izany. Marihina fa anio amin’ny 4 ora hariva eo Mahamasina izay hifanandrinan’ny Barea amin’ny Centrafrique ao anatin’ny fiadian-toerana ho amin’ny CAN 2023 no hanarahan’ity “recruteur” ity maso ireo mpilalao ireo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire