Ankadikely Ilafy: Nisy ny hetsika fampisakafoanana an-tsekoly ho an’ny EPP Ambohibe
Nanolotra fampisakafoanana ho an’ny mpianatra (cantine scolaire) tao amin’ny EPP Ambohibe, Ankadikely Ilafy, ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina sy ireo mpiara-miasa aminy. Faly ireo mpianatra nandray ireo tomponandraikitra, rah any voalaza.
“ Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ho fanohanana ny zaza malagasy, indrindra ny ety anivon’ny sekolim-panjakana ny hetsika fampisakafoanana an-tsekoly tahaka izao. Hisaorana ireo mpiara-miombonan’antoka ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-nanatontosa ny hetsika” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“ Tsy fahitan’ny mpianatra eto amin’ny EPP firy ny hetsika tahaka izao. Hisaorana ny fiadidian’ny kaominina fa tena faly ireo mpianatra amin’ny fanohanana sy ny ezaka izay nasehon’izy ireo” hoy ireo avy amin’ny sekoly.
Hery lehibe ho an’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ny hetsika fanohanana ara-tsakafo tahaka izao. Ny ankamaroan’ireo mpianatra eny tokoa izay miaina anaty fahasahiranana ny ray aman-dreny amin’ny famelomana azy ireny. Hirariana araka izany hitohy hatrany izao ezaka izao, hisitrahan’ny mpianatra rehetra.
Manitra R.
