ActualitésTsidika

Teny amin’ny tsenan’Ambohidrapeto indray i Dada

Mitsidika, mijery ny vahoaka mitety tsena ankehitriny ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Mijery ny vahoaka sy ny mihaino ny fitarainan’izy ireo aloha no ho ataony hoy i Marc Ravalomanana. Tsena maro no efa voatsidika ary mbola be no hotsidihana. Teny Ambohidrapeto izy androany 2 jona. Narahin’ny vahoaka maro izy teo am-pitetezana tsena. « Avoty ny firenena fa latsaka an-davaka, Ianao ihany no mahavita ity firenena ity » hoy ny vahoaka. Nivoaka teny amin’ny vahoaka ny fanantenana sy ny hafaliana raha nahita an’i « Dada » izy ireo ka raikitra ny fakan-tsary samy hafa sy ny horakoraka maneho hafaliana indrindra ny fitsofana mozika. Nitondra hafaliana sy nijery ny fahasalaman’ny vahoaka eny ifotony ny tena tanjony manoloana izao aretina izao. Nanamafy hatrany ny mpomba azy fa tsy fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana akory izao fa andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy ihany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire