Lalao hifandrinan’ny Barea sy Bénin: Maimaim-poana ny fidirana
Maimaim-poana ny fidirana hoan’ny daholo amin’ny lalao hifanandrinan’ny Barea sy Bénin. Araka ny nambaran’ny Fiadidian’ny Repoblika, ho hatao makotrokotroka ny fitokanana ny kianja ny Barea izay ho tokanana ny alakamisy 02 Septambra 2021. Ka toy izao manaraka izao ny fandaharam-potoana amin’izany : hanomboka amin’ny 03 : 10 hariva ny lanonam-pitokanana ary hisy ny fampisehoana hataon’ny mpanakanto maro toy Mr Sayda sy Tsôta amin’ny 03 : 30 hatramin’ny 05 : 30 hariva. Afaka manatrika maimaimpoana izany ny besinimaro.
« Ho tapitra mialohan’ny hanombohan’ny lalao anefa izany fampisehoana izany ho fanajana ny fitsipi-pifehezan’ny FIFA » hoy i Lova Ranoromaro, Tale kabinetra ny fiadidiana ny repoblika alarobia 25 Aogositra 2021 nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety tao Mahamasina. Mbola miandry ny fankatoavana avy amin’ny FIFA indrindra ny amin’ny hahafahana hanatanterahina miraha ny lalao fifanintsanana sy ny fitokanana ny kianja. «Efa nalefa tany amin’ny FIFA izany fandaharam-potoana izany. Miandry ny fankatoavana avy aminy isika izao » Hoy ny mpikambana iray ao amin’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra. Hanomboka amin’ny 07ora alina araka izany ny lalao hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Ecureuils du Bénin. Hifarana amin’ny afomanga ny fandaharana ary hifarana amin’ny 10 ora sy sasany alina ny fotoana. Araka ny fanazavan’ny talen’ny kabinetra ny fiadidian’ny Repoblika, efa nanao fifampidinihana miaraka amin’ny kaomina Antananarivo izy ireo mba hisian’ny kaoperativa mpitatitra olona hiasa amin’io fotoana io.
Afaka manatrika io fotoana io avokoa ny olona rehetra ary ny tapakila amin’izany dia ho zaraina manomboka amin’y sabotsy 28 Aogositra 2021 ka hatramin’ny talata 31 Aogositra 2021. «Mbola hisy ny fanambarana ho atao amin’ny toerana hahazoana ireo tapakila ireo. Hisy ihany koa ny tapakila natokana hoan’ny ankizy sy ny tanora. Miara-miasa amin’ny ministera misahana ny nomerika mba tsy hisian’ny tapakila hosoka amin’io fotoana io» hoy hatrany i Lova Ranoromaro. Araka ny filazan’ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Hawel Mamod’Ali : «Mbola tsy fantatra mazava na ho fenoina 100% ny toerana. Mbola hisy ny fanambarana atao mahakasika izany. «Marihina fa miisa 40 260 ny toerana ao amin’ity kianja Barea ity raha 24 000 izy teo aloha. Vita tanteraka araka izany ny asa fanamboarana, na izany aza misy ny «garantie» 12 volana amin’ny pitsopitsony voatery havaozina. Marihina ihany koa hoy ny tompon’andraikitra ny tetikasa fa tsy nafindra ny «vato masina» tao amin’ny kianja. Ny Fiadidianan’ny repoblika sy ny kaomina Antananarivo no hisahana ny fitantana ny kianja.
Sitraka Rajaonarivony
