SportTatitra

Espagne : Voafidy ho filohan’ny FC Barcelona i Joan Laporta.

Voafidy ho filohan’ny FC Barcelone ny alahady 07 martsa tamin’ny isam-bato 58% i Joan Laporta, 58 taona, taorian’ny nanisana ny 99%-n’ny vatom-pifidianana. Hamerina indray ny fiaraha-miasa nisy teo aminy sy ity klioba navelan’ny tamin’ny taona 2010 ity indray izy raha araka ny nambarany. Efa-bolana taorian’ny fametraham-pialàn’ny filoha teo aloha, Josep Maria Bartomeu, tamin’ny 27 Oktobra 2020, nivoaka mpandresy avy hatrany i Laporta tamin’ity fandraisana anjara nataony ity. Isan’ireo andraikitra lehibe ho sahaniny arak’izany ny fanalavana ny fifanarahana amin’i Lionel Messi, izay tokony hifarana amin’ny 30 jona ho avy izao. Nitàna ny laharana voalohany teo alohan’ireo mpifaninana taminy, Victor Font (32%) sy Toni Freixa (10%) i Joan Laporta tamin’ity fifidianana ity.

Laisser un commentaire