Sabotsy Namehana : Reharehan’ny Kaominina ireo mpandraharaha
Kaominina iray mandrafitra ny distrikan’Avaradrano i Sabotsy Namehana. Kaominina manana ny tantarany sy ny lazany ary maro olo-malaza sy manam-pahaizana ary tsy vitsy ihany koa ireo mpandraharaha ao an-toerana.Sehatra maro no efa mivelatra ao, toy ny varotra sy ny fananganana orin’asa ho an’ny tena manokana. Isany amin’izany ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izay teraka tao Sabotsy Namehana ny 6 Novambra 1958. Reharehan’ny Kaominina ny fisiany satria sady olom-panjakana izy no nanam-pahaiza mikasika ny toe-karena ka nandraharaha nanodidina izany. Nitondra ny firenena nanomboka ny 25 janoary 2014 hatramin’ny 7 septambra 2018 izy ary lany nandritra ny fiodinana voalohany. Lehibe tao Antsofinondry, izay fokontany iray ao Sabotsy Namehana i Hery Rajaonarimampianina. Efa nianatra tany ivelany ihany koa ny tenany nianatra mikasika ny fitantanam-bola.Vao vita ny fianarany dia nanomboka nisehatra tamin’ny fandraharahana izy ary nanokatra ny cabinetrany manokana ary teo no nifandraisany tamin’ny mpamatsy vola maro sy orinasa teto an-toerana sy tany ivelany. Nisehatra tamin’ny tontolo tiany ihany izy dia ny fitantanam-bola sy ny hay toe-karena. Ireo sehatra ireo no nampihariny ny fahaizany ka novelariny ho lasa lavitra hany ka vitany hatramin’ny nitantana ny firenena iray manontolo. Tsy nanaiky izy raha tsy tratrany ny tanjony izay toe-tsaina tokony hananan’ny mpandraharaha rehetra toa azy ary indrindra ireo tanora te hiditra ao amin’izany sehatra izany. « Tsotra ny tanjona, tsy mijanona aho raha tsy tafita » hoy i Nomena, tanora mpandraharaha.Mitady ezaka sy finiavana ary fahafoizana fotoana sy hery ary vola anefa izany rehetra izany. Tsara ny mahafantatra ny sehatra mahaliana sy hay ary izay no arahina iny avy eo.
Nicole Rafalimananjara
