ActualitésTsidika

Fampianarana ambony : Miisa 5 000 ny vatsim-pianarana omen’i Turquie

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny masoivohon’i Turquie tao amin’ny Minisitry ny fampianarana no nilazana fa misy vatsim-pianarana 5 000 omen’izy ireo. Azon’ireo mpianatra Malagasy atao ny misitraka izany.

« Vatsim-pianarana feno no atolotra. Iantohana avokoa ny tapakilan’ny fiaramanidina mandroso sy miverina, ny trano ipetrahana, ny fahasalamana, ny saram-pianarana sy ireo andran’asa mandritra ny fianarana. Misokatra ho an’ny firenena rehetra ny tolotra, ary anisan’izany i Madagasikara » hoy masoivohon’i Turquie eto Madagasikara, Nuri Kaya Bakkalbasi. « Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Malagasy sy i Turquie eo amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa » hoy ny Minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Profesora Assoumacou Elia Béatrice.

Isan-taona dia manome vatsim-pianarana tsy latsaky ny 5 000 isa I Turquie. Tafiditra ao anatin’ireo afaka misitraka izany foana i Madagasikara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire