ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Miteraka olana ny tsy fanalana ireo fako ara-potoana

Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny fanalana ireo fako mivangongo sy miangona isaky ny secteur misy ao an-toerana, indrindra tato ho ato izao. Mbola maro anefa ireo toerana ahitana fako miangona ka mampitaraina ny mponina manodidina.

« Tena misy ireo faritra na fokontany hafa ato anatin’ny kaominina tena maloto ary mila fandraisana fepetra sy fanaraha-maso. Rehefa miangona na tara ny fakana ireo fako dia tena manelingelina ireo fofona sy loto miparitaka. Ny voalavo sy ny parasy tsy lazaina intsony » hoy i Nivo, mponina ao Ankadikely Ilafy.

« Ny vahaolana mety amin’ity resaka fako ity dia ny fampitomboana ireo toeram-panariana fako ihany. Tena tsy maharaka ireo efa misy eo an-toerana, ny fako anefa tena mora mitombo. Eo ihany koa ny fakana tsy tapaka ireo fako ara-potoana » hoy i Laza, tomponandraikitra misahana fahadiovana.

Olana sedrain’ny rehetra ny mahakasika ny fako sy ny fahadiovana. Anisan’ny miteraka olana sy fikorontanana maro izy io na eo amin’ny fahasalamana na eo amin’ny fiaraha-monina. Mila paik’ady sy fepetra entitra araka izany ny fandaminana ny fahadiovana.

Manitra R.

Laisser un commentaire