SocialTsidika

Tsy ilaozan’izay tsy hisy hanararaotra amin’izao zava-misy izao

Ao anatin’ny fiadiana izao aretina mihatra aman’aina izao indrindra isika rehetra. Araka izay indrindra no tena araraotin’ny olona sasany hahazahoana vola, eo ny krizy ara-pahasalamana, eo ny krizy ara-toe-karena. Tia kely ny gasy sasany ka mambotry ny gasy toa azy ihany kanefa iaraha-mahita ny krizy. Milalao aina ny toy izany satria ireo mahavelona no ampitomboina ny vidiny toy ny sakafo fanafody. Velon-taraina aza ny manana marray izay tsy mitsabo eny amin’ny Hôpitaly na CTC noho ny tsy fahitana fanafody eny amin’ny farmasia. Raha nampitandrina ny Filoha Nasionalin’ny Farmasianina eto Madagasikara, Dr Rakotomalala Tantely, fa tsy ekena ny fanararaotana amin’ny vidin’ny fanafody eny anivon’ny farmasia ary tsy maintsy handraisana fepetra raha misy izany. Tsy toy izany indray anefa ny endrin’ny fanararaotana teto. Hilaharana be tokoa ny eny anivon’ireny fivarotam-panafody ireny amin’izao ary misy mihitsy aza ireo miverimaina vokatrin’ny tsy fahitana ny fanafody izay ilaina. Ny mpananararaotra ary mividy karazana fanafody eny ary miverina mivarotra izany amin’ny vidiny avo roa heny noho ny tena vidiny any anaty tambajotra na eny amin’ny sisiny eny. Vokany, sahirana ireo marary tsy mahita ny fanafody ilainy eny amin’ny farmasia indrindra fa ireo izay tsy manana fahefana mividy any amin’ireo mpibizina fanafody. . Manao antso avo ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Fanjakana misahana ny fahasalamana araka izany mba hijery akaiky ity tranga ity satria aim-bahoaka io.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire