SocialTsidika

Mihanaka eny anivon’ny biraom-panjakana samihafa ny Covid-19

Tsy ety amin’ny fiaraha-monina ihany ankehitriny no ahitana olona mararin’ny covid19 fa manomboka misy izany ihany koa eo anivon’ny biraom-panjakana samihafa. Tsy vitsy ireo olona malaza fantantsika fa matin’ny coronavirus amin’izao fotoana izao. Mahazo laka eto amintsika araka izany ity aretina ity. Tsy mifidy sarangan’olona ihany koa etsy ankilany fa tratra avokoa na ny mpanao politika na ny vahoaka Malagasy tsotra. Hatreny amin’ireo biraom-panjakana toy ny antenimeram-pirenena ankehitriny no mandray fanapahan-kevitra hentitra manolona izao fiparitahan’ny aretina izao. Misy amin’ireo solombavambahoaka mantsy no voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina nandritran’ny fitiliana natao. Nanapa-kevitra ny hametra ny asa mandeha eny anivon’ny birao araka izany ny antenimeram-pirenena ka ireo asa tokony hatao ihany aloha no hatao ankehitriny. Tsy hisy araka izany ny fivezivezena mba hisorohana ny fiparitahana be loatra. Tsy ny eny amin’ny antenimeram-pirenena ihany anefa no tsikaritra fa manao izany fa saika miditra amin’izany avokoa na ireo minisitera isan-tsokajiny aza. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa etsy ankilan’ny tahan’ny marary vaovao tato anatin’ny herinandro maromaro izao. 500 ankehitriny no efa maty teto an-toerana nandritran’izay fotoana izay. Mpanao politika, mpanakanto, olon-tsotra, mpiasan’ny fahasalamana maro no efa lavo nandritran’ny herintaona mahery izay. Nihazakazaka izany taham-pahafatesana izany raha hoharina tamin’ity taon-dasa. Hatrany amin’ireo olom-panjakana avy aza no tetezin’ity aretina ity ankehitriny. Haverina hatrany anefa ny fanentanana ny tsirairay amin’ny fanjana ny fepetra ara-pahasalamana.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire