ActualitésTatitra

Thaïlande : Zanaky ny mpilalao horonatsary iray avy ao Espagne no namono olona ao an-toerana

Faty efa voarasarasa no hita tao amin’ny nosy Koh Phangan ao Thaïlande. Raha ny fanazavana dia lehilahy « chirurgien plastique » antsoina hoe Edwin Arrieta Arteaga, 44 taona avy ao Colombie io hita faty io. Nitodika tany amin’i Daniel Sancho Bronchalo avy hatrany ny ahiahy. Zanak’i Rodolfo Sancho, mpilalao horonantsary avy ao Espagne izy ary nigadona tao Thaïlande ny 31 jolay lasa teo.

Efa nifankafantatra izy ireo raha ny tatitry ny lehiben’ny polisy tao Koh Phangan, Panya Niratimanon. Rehefa natao nefa ny fanadihadiana dia nandà ny fiampiangana azy i Daniel Sancho Bronchalo. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny anton‘io vono olona io ary mitohy ny fanadihadiana. Efa tonga manampy ny zanany ao Thaïlande kosa i Rodolfo Sancho manoloana ny tranga.

Laisser un commentaire