SocialTsidika

Mila fanohanana ny mpangataka sy ny tsy manan-ko hanina

Mitombo isa tatoato ny maty teto Madagaskara. Tsy misangy ny fahafatesana ary tsy mifidy saranga ihany koa. Manampy trotraka ny amin’izany etsy ankilany ny aretina COVID-19 izay tena mahabetsaka azy. Ny talata 30 Martsa teo, tany Ambatondrazaka renivohitra, lahy antitra iray maty tampoka tao anaty tsena, akaikin’ny mpivarotra vary mitsangana, tokony tamin’ny 09 ora maraina. Nambaran’ny olona teo amin’ny manodidina fa efa nitsirepirepy izy no tonga teo amin’io toerana io. Nangataka ny mba hitsotsotra teo amina mpivarotra iray izy ary tao anatin’izay no nanariany ny ainy. Kotoarisoa no anarany ary mpangataka avy ao Bejofo izy raha ny fantatra. Maty noho ny rerakin’ny fiainana ve sa nisy aretina nahazo ity rangahy ity. Tsy milamina intsony mantsy izao ny tany ka raha mahita olona matimaty ho azy toy izao aza mampatahotra. Kanefa na izany aza tokony handraisana vahaolana maharitra ihany ny hanafoanana ny mpangataka eto Madagasikara. Misy tokoa mantsy ireo manan-ko hanina ka manary ny sisa tsy laniny fotsiny kanefa any ho any misy tsy mahita na vary iray venty aza. Tsy ny fanjakana ihany anefa no handrasana hanampy azy ireny fa ny mpiray tanindrazana tsirairay indrindra ireo eny amin’ny fiarahamonina eny izay tena mahita tsara ny zava-misy. Izany no atao mba ahafahana misoroka ny tranga toy ny an’ity rangahy maty ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire