Andao hiara-hisalahy hiady amin’ny COVID-19
Tsy mitsaha-mitombo ireo mararin’ny Covid-19. Efa saika hiboka sy feno marary avokoa ny hopitaly. 384 ny tranga vaovao hita ny 28 martsa lasa teo raha ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra. Inona no vahaolana ? Miezaka manao izay tandrify azy amin’ny fisorohana ny aretina ny hery velona teo amin’ny firenena. Nandray ny andraikiny ihany koa ny miaramila mba hiadiana amin’ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19. Nofafazan’ny miaramila avy ao amin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalamena ZDS Ankarana rano-panafody ny Bazary kely ao Antsiranana ny alatsinainy 29 martsa 2021. Nofafazana rano-panafody tahak’izany ihany koa ireo birao sy toerana hiasan’ireto miaramila ireto. Tena ilaina ary zava-dehibe ny fandraisana andraikitrin’ny tsirairay toy izany. Ho resy ihany ny aretina raha miara-misalahy sy mifandrimbona amin’ny hetsika maro izay azo hiarovana amin’ity aretina ity ny olona tsirairay. Na izany aza anefa adidin’ny isambatan’olona ny mitandrina sy mampihatra ireo fihetsika sakana mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina COVID-19. Samy lasibatra amin’ny hetsika hatao avokoa mantsy raha misy ny tsy fahatomombanana. Ny fanjakana ihany koa no mahazo ny tsiny raha mandray fepetra goavana toy ny fihibohana.
Nicole Rafalimananjara
