ActualitésTatitra

Seychelles : Mihalany tamingana ny « fourmi folle jaune »

Misy ny karazam-bitsika antsoina hoe « fourmi folle jaune » noho ny lokony mavo sy izy mandeha haingana mivilambilana (zigzag) rehefa mandeha. Tao Asie no ivon’io vitsika io izay tonga tao amin’ny nosy tamin’ny taona 1960.

Anisany tena ahatahorana (dangereux) io vitsika io. Mahavita tsy mampihetsika ny mpanenjika azy toy ny androngo izy amin’ny alalan’ny asidra izay avoakany, ary alefany any anatin’ireo biby ireo. Manoloana izany dia mety manimba zavatra maro io vitsika io a vaovao mahafaly ho an’ireo mpiaro ny zava-boahary ny fanjavonany tsikelikely. Marihana ihany koa fa anisany niasa tamin’ny fandringanan io vitsika io ireto farany.

Raha ny tatitry ny mpahay siansa ao amin’ny valan-javaboahary ao amin’ny Vallée de Mai ao amin’ny nosy Praslin dia nihena 97% io vitsika io ary niakatra ny tahan’ny fitomboan’isa ny biby hafa, indrindra ny androngo.

Laisser un commentaire