ActualitésTatitra

Comores : Misy ny fikambanana ho an’ny mpianatra sy ny mpanao andran’asa ao Bambao

Tafajory ny fikambanana ho an’ny mpianatra sy ny mpanao andran’asa « Uesb » ao Bambao. Mpianatra sy mpanao andra’asa avy amin’ireo kaominina mandrafitra an’io faritra io no mivondrona ao amin’izany. Ny fampiroborobo ny fifanakalozana, famafisina ny firaisankina ary ny fiombonan’ireo mpianatra an-jatony ao amin’ny faritra kosa no tanjona tamin’ny fampijoroana ny fikambanana hoy ny sekretera jeneraliny, El-bak Abdou Ali.

Nilaza io tompon’andraikitra io fa maro amin’ireo mpianatra nahazo mari-pahaizana tsy mahazo fitarihana sy sahirana amin’ny fisitrahana fanaraha-maso tsara eny amin’ny anjerimanotolo, toy izany ihany koa ireo miditra eo amin’ny tontolon’ny asa. Manoloana izany dia natao hanorenana fifandraisana ara-pirahalahiana, hifampizarana hevitra ary hifanakalozan-kevitra hitarihana ireo mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra ny ihany koa fikambanana. Manodidina ny 300 kosa ny mpianatra ary 200 ny mpanao andran’asa efa mivondra ao amin’ny « Uesb ».

Laisser un commentaire