ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fanomezana fiofanana ho an’ny tantsaha

Mitohy ny fanomezana fiofanana maimaim-poana entina hanatsarana ny fiompiana ho an’ireo tantsaha, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tamin’ny zoma, faran’ny herinandro lasa teo, dia nisy ny fanofanana mahakasika ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina, izay natolotry ny kaominina sy ireo fikambanana mpiray ombon’antoka aminy.

« Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina hatrany ny hanolotra fiofanana ho an’ny tantsaha mpiompy mba entin’izy ireo manatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo sy manatsara ny sehatr’asa hivelomany » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Tamin’ity andiany ity dia ireo avy ao amin’ny fokontany Antanandrano no nisitraka izany. Tsara ny manamarika fa efa maro ny fampiofanana isan-karazany izay efa natao ho an’ireo tantsaha teto amin’ny kaominina, ary maimaimpoana avokoa izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny LTP Ankazondandy ary ny ministera misahana ny fambolena sy ny fiompiana moa no nisian’izao fanofanana tantsaha, tao an-toerana izao ary mbola hitohy hatrany izany ho fanasoavana ny vahoaka.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire