Etats-Unis : Tsaboina ao an-toerana ny filohan’i Brésil teo aloha Jair Bolsonaro
Raha ny tatitra dia tsaboina ao amin’ny hopitaly iray ao Orlando, Floride ny filohan’i Brésil teo aloha Jair Bolsonaro. Nohamafisin’ny vadiny Michelle izany fanambarana izany ary nanazava izy fa misedra fahararian’ny kibo mafy indray ny vadiny.
Raha tsiahivina dia niahan’ny tsatok’antsy io filoha io talohan’ny fifidianana tamin’ny taona 2018. Efa nihatrika fandidiana in’enina izy ary efa niditra hopitaly in-telo hatramin’io taona io noho ny faharariana.
Mbola ao anaty fanaraha-maso kosa i Jair Bolsonaro raha ny fanazavan’ny vadiny ary tsy misy ahatahorana ny ainy.
