Ho isaina ireo toeram-pitsaboana sy toeram-pianarana mba hanangonana hetra
Hisy ny fanatanterahana ny fanisana ireo toeram-pianarana sy toeram-pitsaboana tsy miankina ho ataon’ny Foibem-pitantanana Ankapoben’ny hetra na ny DGI. Hanao fanentanana izy ireo ho entina hanazavana ny fomba fampiharana ny fanisana ny DGI mialoha ny fanisana.
« Tanjona ny hanangonana ny sokajin-ketra amin’ny “Impôts sur les revenus” » hoy ny avy ao amin’ny DGI. « Voarakitra ao amin’ny lalàna ao amin’ny andininy 01.01.03. 5° andalana faha 2 mikasika ny fepetra ankapobeny mifehy ny hetra izany ka azony atao tsara » hoy i Felix, mpahay lalàna. « Firenena ambony lalàna tokoa isika saingy aoka ho atao anaty mangarahara ny fanisana, vola no miasa ao manko, ary rehefa tsy miankina rehetra tokony ho voakasik’izany avokoa fa tsy hoe izay tratra » hoy i Blandine, talen-tsekoly tsy miankina iray.
Ilay fanentanana sy fampahafantarana mialoha no tena tokony hohamafisina mba tsy hisian’ilay tsy fahafantarana, efa miparitaka be ihany manko ny sehatra tsy miankina eto amintsika indrindra ny sekoly izay saika misy isaky ny elanelan-trano.
Nicole Rafalimananjara
