Tovolahy telo maty an-drano tany Antsirabe
03 Septambra, 07:30. Tovolahy 3 no maty an-drano tany amin’ny reniranon’i Sahatsiho Androvakely, Antsirabe ny 2 septambra teo. Raha ny voalazan’ny mponina teny an-toerana dia nitsangatsangana ary nilomano avy eo izy ireto, somary lalindalina ihany koa ilay rano ka tsy hay izay zava-nitranga fa nilentika izy ireo ka izao tsy avotra izao. Aleo hatrany manontany tompo-tanana rehefa toy izao fa samy manana ny fadiny avokoa ny toerana rehetra
