Hanome fitaovana mandeha amin’ny masoandro ny Antenimierampirenena i Inde
Nihaona tamin’ny Ambasadaoron’i Inde Abhay Kumar ny Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny alarobia 01 Septambra 2021 tamin’ny 11ora maraina.
Hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny finamanana eo amin’ny parlemanta roa tonta no tena anton’ny fitsidihana. « Efa mitsangana rahateo ny vondrom-pifankatiavana eo amin’ny parlemanta indiana sy malagasy izay tarihin’ny Solombavambahoaka Djohary Lee Andrianambinina ka vao maika nohamafisina ny fifandraisana » hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena.
« Homena herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny Antenimierampirenena mba ho fanajana ny tontolo iainana sy mba hanamaivanana ny fandaniana ateraky ny fampiasana ny angovo tsy azo avaozina » hoy ny ambasadaoron’i Inde. « Mety tokoa ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Inde tahaka izao satria isan’ny firenena mampivoatra sy manitatra nyfampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro ary ny masoivohony eto aza efa mampiasa 100% ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro » hoy ny solombavambahoaka iray. Isan’ny miaro amin’ny tontolo iainana tokoa ny fampiasana ny angovo azo avaozina ary izany no trna vahaolana maharitra hampandrosoana ny tontolo iainana.
Efa manomboka mivelatra eto amintsika izany satria efa maro ny fitaovana mandeha amn’ny herin’ny masoandro hita eto amintsika sy amboarina eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
