ActualitésTatitra

Maurice : Tahirin-drano roa no feno 100%

Mihatsara ny fitombon’ny rano ao amin’ireo tahirin’ny nosy Maurice. Raha ny fanazavana dia tahiry roa dia ny La Nicolière sy ny Midlands no efa feno 100%. Mihoatra lavitra noho ny tarehimarika nomen’ny Water Resources Unit izany.

Ankoatran’ireo dia efa feno eo amin’ny 99% ihany koa ny tahirin-drano Piton-du-Milieu ; 93,2% kosa ny fahafenoan’ny Bagatelle ; 84,2% ny tahirin-drano Mare-Longue ary 82,4 % sy 67 % ny ao amin’ny Mare-aux-Vacoas sy La Ferme. Marihana fa mbola 88,7% ny taham-pamefenoan’ireo fitahirizana fito ireo efa 93,7% izany tamin’ny daty mitovy tamin’ny taon-dasa.

Laisser un commentaire