Dépêches

Lozam-pifamoivoizana tany amin’ny RN6.

25 Oktobra, 09h48. Omaly alahady 24 oktobra tokony tamin’ny 02 ora maraina no niala lalana ny fiara fitateram-bahoaka iray izay niainga avy any Antsiranana hiazo an’Antananarivo. Tao amin’ny tetezana Anjingo, eo amin’ny 30 km tsy hiditra ny tanàn’ Antsohihy no nisehoan’ny loza. Vokatry ny torimaso tsy tana no nahatonga ny loza. Marihina fa tsy tokana akory ny mpamily ilay fiara fa 02 izy ireo.Tsy misy ny aina nafoy fa olona 08 no naratra, ka zaza 05 taona ny iray amin’ireo. Ary efa ao amin’ny hopitaly be Antsohihy izy ireo no manaraka fitsaboana.

Laisser un commentaire