Tsy atao sakana tsy handroso akory ny fananana fahasembanana
Tsy tokony ho sakana tsy hanaovana fanatanjahan-tena ny fananana fahasembanana, satria nateraka hitovy ny olombelona rehetra. Efa maro ny olona manana fahasembanana miditra tanteraka amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena.
« Tsy misy fahasarotana rehefa misy ny tanjona sy ny finiavana izay hahafahana mandroso » hoy i Iary, tanora manana fahasembanana amin’ny resaka fihainona. « Olombelona toy ny olombelona rehetra ny olona manana fahasembanana ka manana ny nofinofiny sy ny faniriany tiany ho tanterahana » hoy i Adrien, mpandinika momba ny saina. « Izaho jamba kanefa efa hatry ny ela aho no niditra an-tsehatra tamin’ny tontolon’ny baolina kitra satria efa hatry ny kely aho no notaizana tamin’izany satria fitaizana vatana sy herin-tsaina ny baolina kitra » hoy i Rakotondravao Daniel, tanora manana fahasembanana amin’ny jery, milalao baolina kitra any Antsirabe.
Ahoana tokoa ny filalaon’ny tanora manana fahasembanana manao baolina ? « Lalao eny ambony kianja ny baolina kitra ka tsy maintsy misy fifampikasohana ka efa homanina ny fiarovana toy ny amin’ny andrina iarovana ny masony ka ny sofina no tena miasa hamenoana ny tsy hita maso » hoy Rakotoarisoa Justin, mpanazatra ireo manana fahasembanana amin’ny tontolon’ny baolina kitra.
Tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena akory ny lalao fa kosa miaina amin’ny izay zava-misy sy ananana. Samy manana ny nofinofiny tokoa ny rehetra izay hatomboka amin’ny zava-misy eo am-pelatanana aloha ny fanatanterahana azy.
Nicole Rafalimananjara
