Haïti : Olona maherin’ny 600 no namoy ny ainy tao an-toerana tao anaty ny iray volana
Nanao fanairana ny ONU manoloana ny trangan’herisetra mahery vaika ao Port-au-Prince, renivohitr’i Haïti. Tanàna maro tao amin’io renivohitra io no nisehoana fanafihana goavana ary feno herisetra tanteraka ny volana aprily teo.Tao anatin’izany dia olona mahery ny 600 no namoy ny ainy raha ny tatitry ny ONU.
Nampatsiahy nefa i Volker Türk, avy ao amin’ny Haut-Commissariat ny ONU misahana ny zon’olombelona fa efa 846 ireo namoy ny ainy noho ny herisetra tao amin’ny firenena nandritra ny 3 volana voalohan’ity taona 2023 ity. Olona 393 isa ihany koa no naratra vokatr’izany ary 395 no nalaina an-keriny.
Raha tsiahivina kosa dia fifandirana eo amin’ireo jiolahy (guerre des gangs) no anton’io herisetra goavana ao an-toerana io.
