Ankadikely Ilafy : Efa nanomboka ny fanamboarana ny lalana ao Antanandrano
Ny talata teo no nanomboka ny fanamboarana ny lalana ao Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy. Asa fanamboarana ny ampahan-dalana voalohany ho rari-vato no natao ao anatin’izany, araka ny voalaza.
« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana ety anivon’ny fokontany. Tahaka izao asa fanamboaran-dalana izao, izay mifototra amin’ny fiainan’ny vahoaka isan’andro ka rariny raha atao ho tombotsoan’ny rehetra » hoy ireo avy amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ny famaliana ny tombotsoam-bahoaka tahaka izao, hisaorana ireo tomponandraikitra ny ezaka asehon’izy ireo hatrany ary hirariana mba hahazo ny anjara amin’ny asa fampandrosoana tahaka izao avokoa ny fokontany manodidina rehetra » hoy i Mbolatiana, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Mbola maro ireo sehatra mila fijerena manokana, isam-pokontany ao anatin’ity kaominina iray ity. Anisan’ny hiandrasan’ny mponina fatratra ao anatin’izany ny fanamboarana lalana amin’ireo fokontany hafa, ny fametahana jiro sy ny maro hafa ihany koa.
Manitra R.
