ActualitésTsidika

Masindray:  Hisy ny fampianarana maimaim-poana ho an’ny mpanala ny fanadinana CEPE

Hisy ny fampiana fampianarana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana CEPE, amin’ity taom-pianarana ity ao amin’ny kaominina Masindray. Ny fikambanana ZMMA avy ao an-toerana no hanolotra izany.

« Hanolotra fampianarana ho fanomanana ny fanadinana ho an’ireo mpianatra rehetra tsy hankanavaka ato anatin’ny kaominina ny ekipan’ny Zanak’i Masindray Mandray Andraikitra. Izany dia ho tanterahina ny sabotsy 25 aprily, ny 01 sy 08 may ary ny 15 jona. Ao amin’ny efitranon’ny sekoly katoliaka Imeritsiadino » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ho fampiakarana ny taham-pahafahana fanadinana eto an-toerana no tanjon’ny fikambanana anatin’izao hetsika izao. Izany indrindra no hanentanana ny ray aman-dreny handefa ny zanany ary hamporisika ny ankizy hanatrika ny fampianarana » hoy hatrany ny fanazavana.

Misy moa ny fisoratana anarana mila atao mialoha ao amin’ny sekoly ao anatin’izany. Hatramin’ny 04 may izao no fandraisana ireo mpianatra. Marihina moa fa tsy fampianarana ihany no omena ny ankizy mandritra izany fa ahazo tohan’aina ihany koa.

Laisser un commentaire