Malaisie : Angidim-by an’ny tafika nifandona teny am-panidinana, nahafatesana olona folo
Angidim-by an’ny tafika an-dranomasina Malezianina roa no nifandona, nandritra ny fotoanan’ny fiofanana nataon’izy ireo teny an’hanabakabaka, omaly maraina. Olona folo no maty tao anatin’izany. Raha ny voarakitra tao anatin’ny horonan-tsary niparitaka tamin’ny tambojotra sosialy nandritra ity loza niseho ity, angidim-by miisa fito no niara-nanomboka ny sidina, tamin’ny aavo ambany. Izy ireo izay nanatanteraka fiofanana tao amin’ny seranan’ny tobin’ny tafika an-dranomasina tao Lulut, any andrefan’ny nosy ; ka tao anatin’ny fotoana famerenana ny fanomanana ny fampisehoana ataon’ireo tafika mandritra ny lanonana izay nokasaina ho atao ny volana may izao no nitranga ny loza.
