Fanadihadiana mamotopototra ireo olana misy amin’ny fampiasan-jiro sy rano eto Iarivo
Misy olana hatrany ny fahazoana sy famatsiana jiro sy rano eto amin’ny faritra Analamanga. Tsy vitsy ireo mitaraina hita amin’ny tambazotra-tserasera sy eny amin’ny fiaraha-monina eny isan’andro ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny tolotra omen’ny JIRAMA. Eo anatrehan’izany dia nisy ny fanadihadiana kely notanterahina hahafahana mamaritra ny tena halalin’ny zava-misy. Olona 94 no namaly ny fanadihadiana. 89,4 isan-jaton’ireo dia mipetraka eto andrenivohitra daholo. Manelanelana ny salan-taona 18 hatramin’ny 50 ny 90 isan-jaton’izy ireo. Mpiasa tsotra ny 36,2 isan-jato, mpianatra ny 34 isan-jato ary 12,8 isan-jato ny mpiasa-tena. Azo lazaina hoe olona efa mba lehibe sy mahatokan-tena daholo ihany ny ankamaroany noho izany.
Raha ny valim-panontaniana azo avy amin’izy ireo dia mbola maherin’ny 38,3 isan-jato no tsy manana afatsy jiro ao an-trano. Izany hoe matsaka rano eny amin’ny fanomezan-drano iombonana izy ireo izany na manana loharano eo an-tokotany. Ho an’ireo 30,8 isan-jaton’ny manana azy roa ao an-trano moa izany dia nilaza fa efa nihoatra ny inefatra ny fahatapahan-drano ny herinandro nialohan’ny nanaovana ity fanadihadiana ity, izay naharitra nihoatra ny adiny ny roa ny fahatapahana tamin’ny ankapobeny. Tsy lazaina intsony moa ny fahatapahan-jiro, fa dia mihoatra ny inefatra ihany koa ary tsy latsaky ny adiny ny iray eo izany mazana. Eo anatrehan’izany anefa dia nilaza ireo nohadihadiana fa tena midangana ny vidin-jiro sy ny vidin-drano ho an’ireo manana. 48 isan-jaton’ireo manana jiro dia manelanelana ny 20 000 hatramin’ny 50 000ar ny tsy maintsy hefainy, nefa izy ireo tsy dia mampiasa fitaovana tena mandany be toy ny vata fapangatsiahana na koa lafaoro. Rehefa nanontaniana ary ireo olona 94 ireo hoe manao ahoana ny fahafaham-pon’izy ireo mikasika ny tolotra omen’ny JIRAMA raha omena naoty hatramin’ny 10, dia 24,7 isan-jato no nanome 5. Izany hoe tsy tena afa-po izy ireo fa eo ho eo ihany. 19,1 isan-jato no nanome 4 amin’ny 10. 20,2 isan-jato nanome 3 amin’ny 10. Tsara ihany kosa anefa ny manamarika fa nisy 14,6 isan-jaton’ny mpamaly nanome 6.
Izany rehetra izany no manamarika fa tsy mahafa-po ny mpanjifa ny tolotra omen’ny JIRAMA. Ilaina araka izany ny manolotra vahaolana hanatsarana ny efa misy. Teo am-pamaranana tokoa dia nanontaniana ireo olona nohadihadiana hoe inona ny tolo-kevitra omen’izy ireo hanatsarana ny tolotry ny JIRAMA. Maro ny valin-teny azo fa ireto manaraka ireto ny ambangovangony rehefa natambatra izay hevitra nitovitovy. Voalohany dia mila omena fiofanana arak’asa ireo mpiasa eo anivon’ny JIRAMA raha ny fanazavana azo. Ilaina hoy izy ireo ny fahaizana manaja ny asa. Manomboka any amin’ireo mpandray olona eny anivon’ny fandoavan-jiro sy rano izany hatrany amin’ireo ratsa-mangaika rehetra mpanatanteraka sy mpibaiko. Etsy an-danin’izany dia nosinganin’ireo olona nohadihadiana fa tena manjaka ny kolikoly eo anivon’ny JIRAMA. Inona hoy izy ireo ny antony tena mahaela ny fahazoana “compteur” raha tsy ny kolikoly tsy mety lany. Ka ao anatin’ny tolo-kevitra nomen’izy ireo araka izany ny fijerena akaiky ireo izay tompon’antoka mampirongatra azy ity. Ankoatra izay dia nisy ireo nanome soson-kevitra fa tokony hisy orinasa mpifaninana ny JIRAMA, na ihany koa tokony omena ny tsy miankina ny fitantanana azy. Farany dia tsara hoy ireo namaly ny fanadihadiana raha asiana fanamboarana sy fanavaozana tanteraka ireo fitaovana rehetra ampiasain’ny JIRAMA hamokarana ny jiro sy rano ary hizarana izany eraky Iarivo. Ilaina noho izany ho an’ny JIRAMA ny fijerena akaiky ireo tolotra omeny.
Diamondra Randriantsiferana
