Ambohimanambola: Tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny fifaninanana baolina kitra “intercommunal” ny ekipan’ny kaominina
Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana lalao baolina kitra, tournoi intercommunal, izay hifanandrinan’ireo ekipa avy amin’ny kaominina eto amin’ny distrika Avaradrano. Ho an’ny kaominina Ambohimanambola manokana, tsara ny voka-dalao nandritra izany ary anisan’ny hiatrika ny lalao atsasa-dalana ny ekipan’ny kaominina, araka ny voalaza.
“Nampitaintaina tanteraka ny lalao teo amin’ny Kaominina Ambohimanambola sy ny Kaominina talata volonondry. Nivoaka mpandresy tamin’ny » Tir au but » ny ekipan’ny kaominina nandritra izay fihaonana izay. Tonga maro ireo mpitia baolina kitra sy ireo mpanohana. Hita tanteraka ihany koa ny firaisan-kiana sy fifanampiana eo amin’ireo mpilalao sy ireo mponin’ambohimanambola » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tsy ho jerena fontsiny ny ezaka vitan’ireo mpilalao ireo. Hisy araka izany ny fanamiana mitovy hatolotra azy ireo. Na eny an-kianja na amin’ny fiainan’ny kaominina Ambohimanambola dia mitohy hatrany ny ezaka” hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny manohana tanteraka ireo ekipa mpilalao ireto ny kaominina Ambohimanambola. Ireo ekipa ihany koa tsy ankilany dia manao ny ezaka rehetra ary anisan’ny hery lehibe ho azy ireo ny fanohanana sy fandraisana an-tanana azy ireo.
Manitra R.
