ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tafapetraka ny vato fototra hananganana ny foto-drafitr’asa fitsinjarana fako ao amin’ny fokontany Iharamy

Tontosa tamin’ny voalohan’ny herinandro teo ny ady fototra fananganana ny foto-drafit’asa fitsinjarana fako, ao amin’ny fokontany Iharamy, vohitra Talakimaso. Tonga niara-nanatanteraka izany teny an-toerana ny ben’ny tanàna, miadidy ny kaominina, araka ny voalaza.

“Araka ny fandaminana izay efa napetraka dia miroso ny fanganana ny toerana fitsinjarana ny fako eto amin’ny fokontany. Haharitra 35 andro ny fotoana hananganana izany foto-drafitr’asa izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ankoatra izany, nirosoana ihany koa ny fananganana ny fikambanana mpitsijara ny fako ary efa miomana ny fanentanana iarahana amin’ireo komity mpanentana eto an-toerana” hoy hatrany ny fanazavana.

Vokatra andrasana amin’ny fanentanana izany moa ny hafantaran’ny rehetra ny mahakasika ny foto-drafitr’asa sy ny tombotsoa azo avy aminy ary ny fizarana ireo fomba fijery mihabo mahakasika ny fako sy ny tontolony. Anisan’ny miteraka asa, mamokatra zezika ary maneno ny fandorana fako moa ny fisian’ity toerana fitsinjarana fako ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire