Maurice : Zava-mahadomelina 12 kilao no tratran’ny fadintseranana tao an-toerana
Zava-mahadomelina (drogues synthétiques) 12 kilao no tratran’ny Custom Anti Narcotics Section ny MRA ny herinandro lasa teo tao amin’ny seranam-piaramanidina SSR, Plaisance. Mitentina Rs 180 tapitrisa na 2 tapitrisa euros io zava-mahadomelina io raha ny tatitra.
Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra kosa dia efa tany amin’ny tapaky ny volana may tany io zava-mahadomelina ireo no tonga tao amin’ny nosy niala avy any Hong-Kong saingy tsy tonga naka izany ny tokony nandray azy. Nolazaina kosa fanampin-tsakafo manohitra ny fahanterana no tao anatin’ny baoritra nahitana ireo zava-mahadomelina iray izay nalefa ho an’ny orinasa iray miorina ao Goodlands.
