ActualitésTsidika

Jirama : Mandeha an-tsehatra mitsirika ireo mpanagalatra jiro sy rano ny orinasa

Midina eny anivon’ny fiaraha-monina mitsirika ireo mpangalatra jiro sy rano ny orinasa Jirama. Maro ireo tokan-trano tratra tamin’izany heloka izany. Niharan’ny sazy avy hatrany izy ireo, tafiditra aoa anatin’izany ny tsy amintsy hanefan’ireo nangalatra ny fandaniana nataony nandritra ny fotoana nangalarany. Eo koa ny sazy avy amin’ny fitsarana.

« Tsy maintsy raisina ny fepetra hentitra satria miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa ka mahatonga ireo olana samihafa ny halatra toy izao. Efa hatramin’ny 100 miliara ariary isan-taona ny vola very noho ureo halatra jiro sy rano ireo. Mimenimenina anefa ny vahoaka rehefa avy eo rehefa tapahana ny jiro. Anisan’ny miantoka ny fampandehanana ny raharaha ato anatin’ny orinasa ny fanarahan-dalanan’ny tsirairay », hoy ny avy ao amin’ny orinasa Jirama.

Toerana maromaro teto an-drenivohitra no niharan’izany fitsirihana izany, toy ny teny Andraisoro, Anjomakely, 67Ha sy ny manodidina teny. Maneho ny tsy fahafaham-pony amin’ny tolotra kosa anefa ny vahoaka. « Rehefa ny olona madinika dia entina amin’ny sangany mihitsy sady hampitahorina amin’ny sazy foana. Ekena fa halatra ireny fa tokony hojerena ihany koa ny an’ireo orinasa vaventy tsy mahaloa trosa kanefa ny jiro mandeha foana. Ny vahoaka madinika hatrany no mizaka ny vokany avy eo », hoy i Menja, mponina eny 67ha.

Avy amin’ny toroka avy eo anivon’ny fiarah-monina ihany no nahafantaran’ny orinasa Jirama izany rehetra izany. Araka izany mbola afaka mitoroka ihany koa ianao raha mahita tranga toy izany na manana porofo amin’ireo orinasa mety tsy mandoa ny vidin-jiron’izy ireo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire