ActualitésTsidika

Lalaon’ny Nosy : Mangataka ny hamerenana ny taranja Taekwondo ny Federasiona

Diso fanantenana tanteraka ireo mpilalao ao amin’ny sehatry ny Taekwondo noho ny fanesorana ny taranjan’izy ireo ao anatin’ity lalao ity. Marihina fa miisa 6 ireo taranja najanona noho ny antony samihafa. Manana olontena amin’ny Tekwondo ny federasiona ary efa tsara fiomanana ka mangataka ny hamerenana indray izany lalao izany ho isan’ireo holalaovina.

« Efa 4 volana be izao izay no efa niomana ny mpikatroka Taekwondo. Tsy niandry ny fanambarana avy amin’ny Filoham-pirenena akory izahay satria manantena handrombaka amboara. Araka izany dia tena fanirianay raha haverina indray ity taranja ity. Efa nanantena handray anjara avokoa ny ekipa ary efa tena vonona », hoy ny avy ao amin’ny Federasiona nanambara ny fangatahany.

Raha tsiahivina dia namiratra ity taranja ity nandritra ny Lalaon’ny Nosy teto Madagasikara ny taona 2007. Ireo mpankafy ity taranja ity dia gaga ihany koa tamin’izany fanapahan-kevitra izany. « Tsy misy antony tokony nanajanonana ny Taekwondo. Raha toerana no olana dia mbola malalaka ireo toerana hahafahana mandray azy ary tena tsy mibahana toerana ngeza be ihany koa izy. Hita ho misy fanavakavahana ihany koa amin’ity lalaon’ny Nosy ity satria ve tsy mandrika ny hahazo amboara isika? », hoy i David, mpankafy ny taranja Taekwondo.

Mbola hantenaina ve anefa ny hiverenan’io taranja io amin’ity lalaon’ny Nosy izay efa ho atao afaka zato andro latsaka kely ? Raha tsy tafaverina moa dia fanohanana ireo solontenantsika no tokony himasoana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire