CAN Rugby : Lavo teo anatrehan’ny Kenya ny Ladies Makis nandritra ny fanokafana
Dépêche 22 mai, 11h, Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny fanokafana ny CAN Rugby ny sabotsy lasa teo. Nifanandrina tamin’ny Ke,nya I Madagasikara nandritra izany. Niady mafy ireto mpampiantrano ireto saingy resy tamin’ny isa 29 noho ny 20. Nanome toky anefa ireto mpilalao ireto fa tsy hiverina fanindroany intsony izany. Ny alarobia izao no hifanandrina amin’ny zareo avy ao Cameroun indray ny Ladies Makis. Ry zareo Cameroun izay resin’ny Afrika atsimo tamin’ny isa 79 amin’ny aotra nandritra ny fanokafana ny lalao. Marihina fa tsy misy vidim-pidirana ny lalao rehetra hotanterahina eo amin’ny Kianja Makis ary afaka mandray anjara amin’ny fanohanana avokoa ny rehetra.
