1,5 % ny tahan’ny fampananan’asa eto Madagasikara
Ambany dia ambany ny tahan’ny fampananan’asa eto Madagasikara, 3% hatramin’ny 4% izany ho an’ny tanora ary 1,5 % amin’ny ankapobeny. Ambony kosa ny tahan’ny faharatsian’asa izay mahatratra hatrany amin’ny 80% izany, hoy ny sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Lalàna sosialy, Razafimanantsoa Jerison nandritry ny famoahana mpiofana mpahay fomba fiasa « méthodologue » sy« conseillers en insertion » miisa 22, omaly.
