ActualitésTsidika

PLE Ambohimangakely: Manome tolotra maro ho an’ny mponina Avaradrano rehetra sy ireo mponina eto Antananarivo

Manao ny asa rehetra momba ny vy ny ao amin’ny PLE. Ny PLE na Père Laval Entreprise dia efa ela niasana teto Madagasikara ary eny Ambohimangakely eny no ahitana azy ireo.

Maro karazany ny zava-bitan’izy ireo, ao ny varavarana, varavaran-kely, lavarangana, seza, latabatra. Vy daholo moa ny fitaovana ampiasaina amin’ireo ary amin’ilay karazana vy izay mafy sady tsara kalitao. Afaka manatitra ny kaomandy any amin’ny toerana rehetra ihany koa izy ireo. Ankoatra ny famokarana ireo zavatra vita amin’ny vy ireo dia mampiofana ihany koa izy ireo ho an’ireo izay liana amin’ny asa momba ny vy.

“Miara-miasa amin’ny BTC Ambohimangakely izahay amin’ny fampiofana ireo tanora te hahay asa momba ny vy, maharitra roa volana eon y fampiofanana ary toy ny fiofanan rehetra ao amin’ny BTC dia maimaim-poana izao izy mandritra ity volana oktobra ity”, hoy Avotra Nomenjanahary, tompon’andraikitra teknika ao amin’ny PLE.

“Raha ny fiofanana iarahana amin’ny PLE izao dia isaky ny talata, alakamisy ary zoma ary mianatra adiny roa eo ho eo isan’andro ny mpianatra raka ny taranja tiany hatao”, hoy i Jessicat, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.

Ankoatra ireo voalaza rehetra ambony ireo dia manome fampiofanana mahakasika ny “plomberie” sy ny “soudure electrique” ihany koa ny PLE. Izany rehetra izany dia hiarahana amin’ny mpampiofana efa matihanina avokoa ary harahina fampiharana miaraka amin’ny fitaovana efa matihanina ihany koa ka tsy misy hatahorana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire