SocialTsidika

Sakafo: Ahoana ny fanamboarana Jaleby na mofo tantely? 

Betsaka ny olona mankafy ny mofo tantely ary manontany ny fanamboarana azy. Ireto avy ny akora ilaina raha hikarakara jaleby: Lafarinina 150g, maïzena 4 sotro fihinanana, leviora simika tapa-tsotrokely, lokon-tsakafo tapa-tsotrokely na volomboasary na mavo, iaorta mamy 4 sotro, rano mangatsiaka 15sl, taratasy film na étirable ary ny menaka. Ahoana ny fanamboarana azy? Afangaro ao anaty vilia jobo iray ny taharo rehetra ary saromana amin’ilay papier film. Avela eo mandritra ny 30 minitra. Etsy an-kilany, manamboatra sirao isika izay ahitana siramamy 120 g sy rano 30 sl ary ranom-boasary makirana 2 sotro. Arotsaka ao anaty vilany ny siramamy arahin’ny rano sy ny ranom-boasary. Arohina tsara mandra-pahalevin’ny siramamy ary rehefa miteraka herotra vao hajanona. Hafanaina amin’izay ny menaka amin’ny hafanana antonony. Maka paosy plastika isika ary arotsaka ao anatin’ilay paty nolomana teo aloha, tsy tapahana akory ny lohany. Rehefa mafana tsara ny menaka vao tapahana ny lohany. Entina mihodina tahaka ny ody moka ny paty avy eo ao anaty menaka. Avela ho mendy dia avadika. Rehefa masaka ny mofo dia arotsaka ao anatin’ny sirao. Avela hilona 1 minitra ao dia esorina avy eo. Ity farany no tena maha jaleby azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire