ActualitésTsidika

Batsirai: Nitsidika tao Farafangana sy Vangaindrano ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka 

Nihazo ny faritry Faranfangana sy Vangaindrano indray ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka; nijery ny zava-misy any an-toerana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Isan’ireo tena voa mafy nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza tokoa mantsy iny faritra iny. “Miha-marefo ny vahoaka. Ilaina ny fijerena ifotony hisorohana ny mety ho fiakatry ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana taorian’ny rivo-doza Batsirai. Potika nandritra ireny mantsy ny voly sy ny seha-pihariana maro” hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa. “Tena voa mafy izahay. Mila ny fanampiana izay tsy voatery ho ara-bola ihany fa indrindra ara-pilaminana ahafahanay mamerina ny fiainanay ho tsaratsara kokoa hatrany” hoy i Rodrigue, monina ao Vangaindrano. Nasiam-panatsarana ihany koa ny kaomisaria tao Vangaindrano ary nahazo kodiaran-droa ireo Polisy ao an-toerana. Isan’ny vinan’ny fitondrana ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ho an’ny rehetra.

Laisser un commentaire