Maevatanana : Fanolanana zazavavy 10 taona
Zazavavy vao 10 taona indray no naolana lehilahy iray tany Bevatokely Mahazomà, Maevatanana tamin’ny Alakamisy 25 aprily tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo ary maty voatifitry ny zandary kosa io lehilahy nanolana azy io. Rehefa natao ny fizahana ilay zaza 10 taona dia voamarin’ny mpitsabo ny fahasimbany. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa nandeha nisambotra ilay voatondro ho navanon-doza ny Zandary, ka vaky nilefa niaraka tamina lehilahy iray hafa io mpanolana io. Nandritra ny fifanjevona no nahalavon’ny balan’ny Zandary azy.
