Portugal : Niakatra ny tahan’ny mpizahatany
Nihoatra ny telo tapitrisa ny mpizahatany tonga tao Portugal, teo anelanelan’ny volana janoary sy ny volana martsa teo. Anisan’ny tsara indrindra teo amin’ny telo volana voalohany, voarakitra tao an-toerana izany. Ny fotoam-pialan-tsasatry ny paska farany teo, no nampisokatra indray ity sehatra ity tao an-toerana, araka ny fanazavana. Raha tsy hitsanisa afa-tsy ireo mpivahiny nijanona tao amin’ireo toeram-pandraisam-bahiny portogey, dia tafakatra 10,6% ny isan’ny mpitsidika vahiny tamin’izany telovolana voalohany izany raha oharina tamin’ny vanim-potoana fialan-tsasatra ny taona 2023. Sehatra indostrialy lehibe, mampiroborobo ny lafin’ny ekonomia ao amin’ny firenena iray ny fizahantany. Mampiakatra hatrany amin’ny 15% ny harin-karena ho an’ny firenena izany, ary tombony manokana ho an’ireo firenena manana tora-pasika miavaka, sy toerana manan-tantara sy ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena samihafa.
