ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nanaiky fahafahan’ny vahiny hifidy mandritra ny fifidianana monisipaly i New York

Noeken’ny filan-kevitra monisipalin’i New York ny herinandro lasa teo ny fampanarahan-dalàna ny fifidianan’ireo vahiny ao an-toerana hifidy. Voalohany tamin’ny tànana lehibe ao Etats-unis nandray izany fanampahan-kevitra izany izy.Olona 33 no nifidy io volavolan-dalàna io, 14 no nandà ary 2 vato fotsy. Voakasik’io fanam-pahan-kevitra io kosa ireo mponina mandalo ao New York, ireo nahazo alalana hiasa ao an-toerana ary izay tsy manana zom-pirenena américain rehetra. Mponina 1 tapitrisa amina 9 tapitrisa ao an-toeran no voakasin’izany hoy ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire