France : Inona no mahavoarohirohy ny tompon-daka olympikan’ny lomano Yannick Agnel?
Voasambotra ny herinandro lasa teo tao Paris ilay mpanao fanatanjahan-tena teo aloha Yannick Agnel, 29 taona. Voaheloka nanao herisetra ara-nofo tamina zaza tsy ampy taona ny tenany ary efa tany amin’ny taona 2016 izany tranga notantarain’ny olona nitory azy izany hoy i Edwige Roux-Morizot, mpampanoa lalàna ao amin’ny tànana’i Mulhouse. Vehivavy mpilomano niara nikotrana taminy tamin’ny taona 2014 hatramin’ny taona 2016 io nitory azy io hoy ity mpanoa lalàna ity.
