SocialTatitra

Thailande : Nifandona indray ny polisy sy ireo mafana fo mpomba ny demokrasia ao Bangkok

Voatery nitifitra baomba manadatsa-dranomaso sy bala fingotra hanoherana ireo mpanao fihetsiketsehina mpomba ny demokrasia ireo polisy thaïlandaise. Nitaky ny fanavaozana ny fintantanana ara-politika sy ny fanatsarana ny fitantanana manoloana ny valan’aretina izy ireo.

« Fitondrana mpanono olona », « miala » izany no soratra nolanjain’ireto mpanao fihetsiketsehina ireto. Efa nahatratra 22000 mantsy ny tranga vaovao ary 212 ny maty raha ny tatitra ny sabotsy teo. Nanameloka ny fahaelan’ny fanaovam-baksiny ao an-toerana ireto mafana fo ireto satria latsaky ny 4,5 tapitrisa amin’ireo 70 tapitrisa ihany no efa vita vaksiny roa.

Laisser un commentaire